Fifandraisana ara-barotra:Voaresaka ny hanondranan’i Madagasikara legioma atsy Maorisy

Nahatsikaritra ny Ambasadaoron’i Maorisy eto Madagasikara, Ramatoa Marie Noëlle Françoise LABELLE fa mora ny vidin’ny karaoty any Antsirabe, satria any aminy dia efa mitentina 12.000Ar ny kilaon’izany legioma izany. Naneho ny faniriany hiroso amin’ny fifanakalozana ara-barotra matotra ny Ambasadaoro ho tombontsoan’ny firenena roa tonta. Manafatra entana maro ny Nosy Maorisy, na legioma, na hena, na voamaina. Madagasikara kosa manana tany midadasika ahafahana mamboly, ary mety ho lasa sompitry ny Ranomasim-be Indiana mihitsy aza, hoy ihany ny Ambasadaoro.

Manana ny SPM i Madagasikara, hoy ny Ministra Edgard RAZAFINDRAVAHY, ary manana ny MAB ny Nosy Maorisy. Amin’ny alalan’ireo orinasa roa ireo no ahafahana manondrana entana tsara kalitao. Homena fanofanana ny mpamboly sy ny kaoperativa malagasy, ho ampiana eny ifotony ny mpamokatra, hatsaraina ny fomba famonosana ny entana haondrana. Raha mirindra tsara ny fiaraha-miasa eo amin’ireo orinasa roa ireo dia hitondra vokatsoa izany na ho an’ny Malagasy, na ho an’ny Maorisiana, hoy hatrany ny Ministra. Omaly Alatsinainy 9 Mey 2022 no noraisin’ny Minisitra Edgard RAZAFINDRAVAHY teny amin’ny trano fiasany eny Ambohidahy ny Ambasadaoron’i Maorisy.

Vous aimerez aussi...