IHOROMBE : Nandray anjara tamin’ny fametrahana ny drafi-pampandrosoana ny seha-pamokarana iantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara koa ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Ihorombe ny faran’ny herinandro lasa teo tany Ihosy. Anisan’ny anatin’ny fehin-kevitra ny tetik’asa mampivondrona ireo seha-pihariana samihafa ao anatin’ny faritra « Zone Emergence Intégrée », tanàna vaovao amin’ny velaran-tany manodidina ny 6700Ha ao amin’ny kaominina Ambatolahy Distrikan’Ihosy hoy ny Talem-paritra (DRICC).
ALAOTRA MANGORO : Efa manomana ary anatin’ny fandaminana farany ny taom-piotazana lavanila maintso ny ao amin’ny faritra ankehitriny. Mihaona matetika ihany koa ireo mpisehatra rehetra toy ny avy amin’ny fiadidiana ny Faritra, ny Prefektiora, ireo rafitra isan-tsokajiny voakasika, ireo mpamboly, ireo mpanangom-bokatra ary ireo mpikarakara lavanila ho fanatsarana ny fizotran’ny taom-piotazana mba ho lavorary. Marihana fa hanomboka ny 29 jolay 2022 izany taom-piotazana lavanila maintso izany ho an’ny faritra Alaotra Mangoro.
BETSIBOKA : Mikatsaka hatrany ny firosoana haingana amin’ny fametrahana ny TANINKETSA INDOSTRIALY any an-toerana ny ekipan’ny DRICC. Nitsidika ny kaominina Tsararano izay fantatra amin’ny famokarana vary sy lojo amin’ny velaran-tany manodidina ny 3000Ha izy ireo. Mamelona olona hatramin’ny 100 isa ao amin’ity kaominina ity izany seha-pihariana izany. Notsidihana ny kaoperativa Taratra izay manana tetik’asa hanodina ny lojo ho lasa lafarinina hamatsiana ny mponina ao amin’ny Distrikan’i Maevatanana sy ny ny Faritra iray manontolo.