Indostria manodina voanjo:Menaka fanampiny 2,5 taonina isan’andro no vokarina any Toamasina

Notokanana afak’omaly Talata 28 Jona 2022 ny ozinina mpanodina voanjo ho lasa menaka ao Mangarano Toamasina I. Akora 5 taonina isan’andro avy any Alaotra Mangoro, Boeny, Sofia ary Melaky no ilain’ny Oil Mada 501 amin’izany. Anatin’izao fotoanan’ny andrana teknika izao dia mampiasa olona 16 aloha ny orinasa. Nanampy araka ny andraikitra tandrify azy ka nitondra amin’izao fitsanganan’ity indostria ity izao ny MICC. Mamaly ny #Velirano 7 sy #Velirano 9 momba ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo ny Oil Mada.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...