Fitsidihana ny faritra Atsinanananiaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny SPAT
Hamaranana ny fivahinianany tao Toamasina dia nanatanteraka atrikasa fikaonan-doha niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny SPAT Ramatoa Minisitra. Noresahana mandritra izany ny mikasika ny tany malalaka mbola azo ampiasaina ametrahana ny faritra indostrialy ao anatin’ny faritry ny seranan-tsambo. Noresahana ihany koa ireo tetikasa hahafahan’ny MICA miasa ao anatin’ny seranan-tsambo ho fanamorana ny fanaraha-maso ireo entana miditra sy mivoaka ao amin’ny seranan-tsambo. Ny fitsidihana ny seranan-tsambo mbola eo an-dalam-panitarana no namaranana ny fitsidihana tao an-toerana.