TANINKETSA INDOSTRIALY: Miisa 60 ireo hamokatra eny ifotony
Tanterahana amin’ity taona 2022 ny fametrahana ireo indostria madinika sy salantsalany manerana ny faritra manaraka ny Veliranon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mikasika ny fampiroboroboana ny indostria. Manampy betsaka amin’ny fanalefahana ny vidim-piainana ny fananganana ireo TANINKETSA INDOSTRIALY mpamokatra entana ilaina andavanandro na PPN eny ifotony. Mihoatra ny 60 ny isan’ireo Taninketsa Indostrialy efa vonona mandra-panangana ireo indostria goavana ho tanterahan’ny Fitondram-panjakana. Hanomboka hamokatra tsy ho ela ny ozinina mpamokatra siramamy ao Mahatalaky ho an’ny Faritra Anosy manokana. Mitohy hatrany ny ezaka rehetra imasoan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana miaraka amin’ny orinasa SPM. Ho avy tsy tapaka ny Vary TSINJO Vita Fety manerana ny Nosy ary hojifaina eny an-tsena amin’ny vidiny 500ar ny kapoaka sy ny Simenitra Fety Lucky hitsinjovana ny mponina.Ampy ny vary eto Madagasikara, 4.600.000 taonina akotry. Mitohy ny fanafarana ny vary Tsinjo hampitony ny vidim-bary. Azo atao ny tsy manafatra vary saingy tsy ho zakan’ny mpanjifa ny vidiny. Raha ny vola lanin’ny tantsaha amin’ny famokarana, azo eritreretina ny 3000 ariary isaky ny kilao amin’ny Vary vokarina eto an-toerana.
Anisan’ny vaovao lehibe nambaran’ny Minisitra androany koa ny raharaha noraisin’ny Minisitera an-tànana tamin’ny herinandro teo mikasika ny mpandraharaha tsy manara-dàlana tamin’ny famokarana zava-pisotro. Notoriana eny amin’ny fitsarana, notoriana koa ny mpanara-maso ny MICC nanao kolikoly. Efa nanomboka tany amin’ny fanadiovana eo amin’ny fahazoana fankatoavana hanondrana amin’ny lavanila ny asa fanadiovana sy ady amin’ny kolikoly ataon’ny Minisitra Edgard Razafindravahy.