VAOVAON’NY FARITRA AMORON’I MANIA

Tonga any amin’ny Faritra Amoron’i Mania ny Vary Tsinjo 30 taonina. Niara-nitsena izany ny Talem-paritra (DRICC) any an-toerana sy ny Solombavam-bahoaka voafidy ao amin’ny Distrikan’Ambositra ary ny Ben’ny Tanana lefitra ao Ambositra Renivohitra. Nambaran’ny Talem-paritra fa mbola misy 32 taonina andrasana. 62 taonina araka izany ny Vary Tsinjo hamatsiana ny mponina ao amin’ny Faritra hatreto. Marihina fa amidy amin’ny vidiny 600ariary ny kapoaka sy 104.500ariary ny gony amin’ny Vary Tsinjo.

Vous aimerez aussi...