Taom-pamarotana 2022-2023:Noferana ho 500 000Ar ny vidiny farany ambany amin’ny lavanila efa voaomana
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra natao omaly Alarobia 03 Aogositra 2022 ny famerana ny vidy farany ambany amin’ny lavanila efa voaomana.
“Izany dia natao nifanaraka amin’ny soso-kevitra nentin’ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV)”, araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra.
Raha tsiahivina dia ao anatin’ny andraikitra faritan’ny Didim-panjakana mikasika ny CNV ny fanolorana soso-kevitra amin’ny Fanjakana mikasika ny vidin’ny lavanila eto an-toerana na eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’ny fanondranana izany vokatra malagasy izany any ivelany.