Herinandron’ny fanjifana:« Manana zo hisitraka ireo filàna fototra andavanandro ny mpanjifa »
Zo faha-7 anatin’ny zo tokony sitrahan’ny mpanjifa ny fanomezana azy fahafaham-po eo amin’ny filàna fototra andavanandro. Teny izay nasongadin’ny Tale misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC), Haingo Andriamadison, androany 08 jona 2022 nandritra ny fanokafana ny Herinandron’ny Fanjifana. Ity no fankalazana voalohany izany herinandro natokana ho an’ny Fanjifana izany izay iarahana amin’ny rafi-pahefana samihafa toy ny avy eo anivon’ny JIRAMA, ny Antokon-draharaha miandraikitra ny fitaterana an-tanety (ATT) ary ny Antokon-draharaha manara-maso ny fiantohana ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSQDA). Nisy ny atrikasa natao sy nandraisan’ireo fikambanan’ny mpanjifa anjara tetsy amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Antaninarenina. Nahafan’ireo mpiara-miombon’antoka namelabelatra ny andraikitry ny tsirairay MBA hisitrahana ireo filàna fototra andavanandro ireo.
Ho an’ny MICC manokana dia miainga amin’ny voalazan’ny Lalam-panorenana ao amin’ny Andininy faha-19 manipika ny zon’ny tsirairay amin’ny fiarovana ny fahasalamany ny hetsika rehetra tanterahan’ny DPC manodidina ny fitsinjovana ny mpanjifa. Asa efa fanaon’ny minisitera andavanandro ny fitandrovana ny fisitrahan’ny mpanjifa sakafo tsara kalitao mba ho fiarovana ny ain’izy ireny hatrany.