Vaovaon’ny faritra Menabe:Fanatsarana ny fitaovana ampiasan’ireo mpanangom-bokatra sy fanatsarana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana any amin’ny faritra

👉 Distrikan’i Mahabo : Anatin’ny fiakaran’ny vokatra ny any -toerana amin’izao fotoana izao ka nidina nijery sy nanara-maso ireo fitaovam-pandanjana sy famarana ampiasan’ireo mpanangom-bokatra ny ekipan’ny DRICC. Marihana fa efa voatsara avokoa ireo fitaovana miisa 27 teny an-toerana fa fanaraha-maso no natao hoy ny DRICC. Tsikaritra fa ireo fitaovana efa voatsara avokoa no ampiasan’ireo mpanagom-bokatra amin’ny asany.
👉 Belo sur Tsiribihana, Morondava, Manja, Mahabo : Kaoperativa mpanodina miisa 26 hatreto no maniry hisitraka ny fanohanana ara-pitaovana amin’ny alalan’ny fandaharanasa Taninketsa Indostrialy.
👉 Morondava : Nitombo iray ny kaoperativa nisitraka fampiofanana ary notolorana taratasy firaketam-pisoratana ara-dalàna tao an-toerana. Ny kaoperativa « Anjarasoa » izay misehatra amin’ny fanangonana sy fivarotana ny hazan-drano no voahofana manodidina ny lalàna mifehy sy ny fiainana ankapobeny ao anatinny kaoperativa.
Tsiahivina hatrany fa ny kaoperativa dia fanoitra goavana amin’ny fampandrosoan’ny faritra ara-toekarena sy ara-tsosialy ary mandray anjara ao anatin’ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina ifotony.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...