Vaovao Songadina avy any amin’ny Faritra Betsiboka, Boeny sy Sofia
Publié
· Mis à jour
BETSIBOKA: Fivarotan-kena telo samihafa no nahatratrarana vato fandanjana tsy manaraka ny fenitra takiana tao amin’ny kaominina ambonivohitra Maevatanana. Vokatry ny fitsirihana tampoka nataon’ny mpanara-maso no nahitana izany ny Alatsinainy teo. Tsikaritra ihany koa ny totokena ahiahiana ho nasiana rano. Tsy mitovy tamin’ireo totokena fahita eny amin’ny mpivarotra hafa ireo fa betsaka rano mitete. Nampanantsoina hatao fanadihadiana moa ireo olona natratrarana tsy fanarahan-dalàna ireo.
BOENY: Nampahafantarina an’ireo vondron’olona ifotony ny lalàna mifehy ny kaoperativa sy ny lalàna mifehy ny fivarotana sy fanondranana ny vokatry ny ala. Nandritra ny fidinana tany amin’ny kaominina Mariarano Mahajanga II sy Andranofasika Ambatoboeny no nanatanterahana izany ny 19 ka hatramin’ny 28 Jolay 2022. Niara-nientana tamin’ity hetsika nokarakarain’ny tetik’asa PAGE 2 ity ny DRICC Boeny sy ny DIREDD Boeny mba hahazoan’ireo vondron’olona ifotony manatsara ny fivelomany.
SOFIA: Tafatsangana ny kaoperativa roa misahana ny fambolena sy fiompiana. Ahitana mpikambana 16 ny KFTMAM miorina ao Ankazotokana Mangindrano any amin’ny distrikan’i Bealanana raha 21 kosa no mandrafitra ny KFOTHA ao Ambodimanga Antsahabe distrikan’Antsohihy. Ny 26 ka hatramin’ny 29 Jolay 2022 no nidina tany amin’ireo toerana ireo nanao ny fombafomba hijoroan’ny kaoperativa ny ekipan’ny DRICC.