Fanavaozana ny mpikambana maharitra ao amin’ny ccia:Nampahafantatra ny fitsipiky ny fifaninanana ny Komity mikarakara ny fifidianana.
Anatin’ny fiomanana amin’ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Antananarivo dia nampahafantatra ny fitsipi-dalao tamin’ny mpampahalala vaovao ny Komity mpikarakara androany 11 mey 2022 tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina. Nisongadina tamin’izany ny:
Fanolorana ireo mpikambana ao anatin’ny komity
Fanolorana ny taratasim-pifidianana
Fepetra takiana raha ho isan’ny mpifidy ho an’ireo mpandraharaha
Fepetra ho an’ireo hirotsaka hofidiana
Indro omena antsika mpandraharaha ihany koa ny fanazavana fanampiny mikasika ny fifidianana.
Sary CCIA