Vaovao Songadina momba ny fitsirihana ireo fitaovam-pandanjana sy famarana

👉SOFIA: Fitaovam-pandanjana 363 no voatsara ka ny 257 amin’ireo no voamarina fa azo ampiasaina tsara. Ny 106 kosa mila fanamboarana. Izany no vokatra azo tamin’ny fanamarinana ny fitaovam-pandanjana nataon’ny DRICC tao Antsohihy, Boriziny, Mampikony ary Ambatoria.
👉ANALANJIROFO: Mizana 2 sy vatomizana 5 no tsy maintsy nogiazana satria efa tsy tokony ho ampiasaina intsony. 44 no fitambaran’ireo mizana notsaraina. Nanatanteraka fitsirihana ireo fitaovam-pandanjana teny amin’ireo tsena ao Fenoarivo Atsinanana ny DRICC tamin’ny herinandro lasa iny. Ho ezahina hatao farafahakeliny indroa isaky ny telo volana izany satria faritra mando lava sy moron-dranomasina ny faritra Analanjirofo ka mahatonga ny arafesina izay miteraka fahasimbana amin’ireo fitaovana ireo.
👉MENABE: Ireo mpivarotra eny amin’ny tsena madinika anelankelan-trano ao Morondava no nanaovana hetsika fanaraha-maso ny fitaovam-pandanjana sy famarana. Roa herinandro no naharetan’izany. Nalefa namboarina avy hatrany ireo fitaovana hita fa tsy mahafeno fepetra.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...