Taninketsa indostrialy: Milina fanodinana voanjo ho lasa menaka no anjaran’i Morondava

Migadona eto amin’ny Seranam-piaramanidina eto Morondava amin’izao ora izao ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Hatolony ny mponin’i Morondava anio Zoma 03 Janoary 2023 ny milina mpanodina voanjo ho lasa menaka ho fanatanterahana ny #Velirano 7.
Mamokatra voanjo 10000 Taonina isan-taona ny faritra Menabe. Ny 60 Taonina amin’izany ihany no voaodin’ny orinasa tsotsotra mpanodina voanjo ka ahazoana menaka 40000 Litatra.
Hanampy tokoa ny tantsaha mpamboly voanjo araka izany ity Taninketsa Indostrialy eto Morondava ity.

Vous aimerez aussi...