Seha-pihariana Lavanila:Hitsinjo ny tombontsoan’ny mpamboly ny CNV

Natolotra ho fantatry ny mpisehatra amin’ny raharahan-davanila any Sambava, Antalaha ary Marontsetra ireo mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny CNV na Filankevi-pirenena momba ny lavanila ny Alatsinainy 20 sy Talata 21 Jona 2022. Nohamafisin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa nohavaozina ny mpikambana ao amin’ny CNV handrindra sy hanaisotra ny gaboraraka amin’io sehatra io.
Nisy moa ny fampanantenana nataon’ ny Filoham-pirenena hiarovana ny mpamboly sy handaminana tanteraka ny sehatry ny lavanila, miainga eny ifotony hatrany amin’ny fanondranana sy fampidirana ara-drariny ny volam-panjakana ho an’ny tombontsoan’ny Firenena.
Tanjon’ ny CNV ny hiarovana ny mpamboly hampakarana ny vidin’ny lavanila. Nanoloana ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta niara-dia taminy dia ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Fitsarana ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ireo mpikambana vaovao ao amin’ny CNV sy ny mpisehatra amin’ny asa lavanila no nanamafisan’ny Minisitra misahana ny Varotra fa “75.000 ar ny vidiny farany ambany amin’ny kilaon’ny lavanila maitso ary 250 USD lavanila aondrana”. Hiasa ny CNV amin’ny fanolorana volavolan-dalàna eny amin’ny parlemanta, hampidirina ny halatra lavanila ho heloka bevava.
Nasongadin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa voasolo tena ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny CNV ny ankolafy rehetra. Ny 12 avy amin’ny fanjakana ary ny 12 hafa avy amin’ny sehatra tsy miankina, misolo tena ny mpamboly, ny mpanangona, ny mpanomana, ny mpanondrana.

Vous aimerez aussi...