TANINKETSA INDOSTRIALY: Ho ampanjariana ho tena fiharian-karena ho an’ny mponina ny voatabian’Ambositra

Ambositra no Distrika fahatelo aorianan’i Betafo sy Ambatondrazaka hanodinana ny voatabia ho lasa fihariana haingana sy maharitra. Kaominina roa any Ambositra no anisan’ny mpamokatra voatabia betsaka indrindra. Naniraka ny mpiara-miasa aminy ny minisitra Edgard Razafindravahy hidina ifotony hijery ny fomba hananganana io Orinasa mpanodina voatabia io ho azo jifaina amin’ny toeram-pivarotana samihafa ary hampiavaka an’Ambositra. Nandray ny minisitra tao an-tampon’i Vinany omaly ny Governoran’Amoron’i Mania sy ny Solombavambahoaka, ireo ben’ny tanàna, ny mpandraharaha ary ny solontenan’ny Kaoperativa sy fikambanana samihafa.

Vous aimerez aussi...