Tsenan’ny lavanila ao bemalamatra sambava:Hividy amin’ny vidy napetraky ny fanjakana ny mpanangom-bokatra Joce

« Hividy amin’ilay vidiny napetraky ny fanjakana 75000Ar ny iray kilao izahay eto Bemalamatra. Izahay indray tsy manakana raha misy olona mahasahy mividy ambonin’io notononin’ny fanjakana io », hoy Velo Angelin, mpanangom-bokatra avy amin’ny orinasa Joce, androany maraina tao Bemalamatra. Horaisiny ny vokatra lavanila avy amin’ireo mpamboly anaty fikambanana miara-miasa aminy. Ny orinasa Bio ao Antalaha no anaterana ny lavanila voaangona.
Somary latsaka kely ny vokatry ny mpamboly avy ao Bemalamatra Kaominina Nosiarina any amin’ny distrikan’i Sambava tamin’ity taona ity. « 8 taonina izany raha 10 taonina teo aloha », hoy ny Ben’ny tanàna Velo Armand.
Nisokatra androany 07 Jolay 2022 ny taom-piotazana lavanila maitso ho an’ny Faritra SAVA.

Vous aimerez aussi...