Vavahadin-tserasera momba ny varotra (PIC): hahazo atontam-baovao feno ho fanamorana ny asany ny mpisehatra ara-barotra

Ireo fombafomba atao rehetra raha hanondrana entana, hanafatra entana, ny lalàna mifehy izany, ny vola aloa sy ny sokajim-baovao hafa koa momba ny fifanakalozana dia ho hita ao amin’ny Vavahadin-tserasera momba ny varotra (PIC). Ny Alakamisy 22 Jona 2023 teo no natolotra an’ireo mpikambana ao amin’ny Komitim-pirenena momba ny fanamorana ny varotra (CNFE) ity fitaovanan ity.

Misy ihany koa ny rohy mankany amin’ireo vondrona iraisampirenena ikambanantsika. Afaka andro vitsy dia ampahafantarina ny besinimaro io PIC io rehefa avy atao fitsirihana farany. Azo ampiasaina maneran-tany ihany koa ny PIC.

Sary DCE

Vous aimerez aussi...