Taninketsa indostrialy: ho tonga hanatitra ny milina fanodinam-bokatra any amin’ny distrika telo any amin’ny Faritra Atsinanana ny Minisitra Edgard Razafindravahy

Mamokatra akondro mihoatra ny 150000t isan-taona sy vomanga 40000t isan-taona ny distrikan’i Brickaville. Tojo fahasahiranana matetika ny tantsaha amin’ny famoahana ny vokatra. Betsaka ny simba na raisin’ny mpanangom-bokatra amin’ny vidiny ambany. Mitondra ny vahaolana ny Fitondram-panjakana amin’ny fanomezana ny indostria fanodinana « chips ». Hatolotry ny Minisitra Edgard Razafindravahy any an-toerana anio Alakamisy 6 Jolay 2023 ny milina ho an’ny distrikan’i Brickaville ho fanatanterahana ny #Velirano 7 -n’ny Filoham-pirenena dia ny Fampiroboroboana ny indostria eny ifotony.
Hitohy any Vatomandry sy Mahanoro ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy ho an’ny Faritra Atsinanana.

Vous aimerez aussi...