Fandraisan’andraikitra eo anivon’ny fiaraha-monina sy ho an’ny fampandrosoana maharitra

Tsy maintsy irosoana ny fametrahana paikady mahomby amin’ny fanajana sy fiarovana ary fampiroboroboana ireo karazan-java- manan’aina.
Ireo mpisehatra rehetra na ny avy amin’ny Sehatra tsy miankina na ny avy amin’ny Rafi-panjakana no entanina amin’ny fampiroboroboana ny karazan-java-manan’aina. Ny fampivondronana azy ireo no anisan’ny tanjon’ny Hetsika Fandraisan’andraikitra ny orinasa eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny fampandrosoana maharitra (Salon de la RSE et des IDD). Nanomboka androany Alakamisy 06 Jolay 2023 etsy amin’ny Novotel Alarobia ka haharitra roa andro ny andiany faha-8 amin’ity hetsika ity.
Manankarena karazan-java-manan’aina azo trandrahana sy kojaina ho fampitomboana ny ara-toekarena i Madagasikara. Ny zava-maniry ohatra dia azo aodina ho entana amaliana ny filàn’ny mponina andavanandro. Manana andraikitra goavana daholo na ny Sehatra tsy miankina na ny Rafi-panjakana ary maro ny paikady sy ny tetikasa hifanomezan’ny roa tonta tanana ho amin’izany.
Anisan’ireny ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola eto Madagasikara ka nanolorany ny Volavolan-dalàna momba izany ary nolanian’ny Parlemanta.
Mandray anjara amin’ireo trano eva mandritra ity hetsika RSE/IDD andiany faha-8 ity ny MICC.

Vous aimerez aussi...