Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Vakinankaratra, Sofia ary Bongolava

👉ATSIMO ATSINANANA: Haoriana any Farafangana sy Vangaindrano ny trano miaraka amin’ny fitaovana ho an’ny Sampandraharaha momba ny famonosana ny vokatra any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana indrindra ireo voly fanondrana. Hanatsara tanteraka ny kalitaon’ireo vokatra ireo ny fametrahana izao toerana izao mba hananana vokatra manaraka ny fenitra takian’ny tsena iraisam-pirenena. Niara-nivory nandinika izany ny Governora mpisolo toerana, ny avy amin’ny Fitaleavam-paritra DRAE sy ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (DRIC) ary ny ny avy amin’ny Tetik’asa PIC3 ny Zoma 16 Febroary 2024.
👉VAKINANKARATRA: Nakàna singa vaovao hanaovana fitiliana eny amin’ny ACSQDA ireo entana tao amin’ny fitehirizan’entan’ny Orinasa SOCOLAIT any Antsirabe. Isan’ireo anaovana izany koa ny entana efa miparitana eny an-tsena sy ireo vao novokarina. Izany no fepetra noraisina taorian’ny fitarainana hita teny amin’ny tambazotran-tserasera mahakasika ny ronono mandry mamy SOCOLAIT. Nambaran’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Orinasa fa tsy misy fiovany ny fomba famokarana fa tokony ho tehirizana amin’ny toerana maina tsara sy tsy mando ny entana fa mety hiova arakaraka ny hafanana be loatra na hamandoana be loatra ny kalitaon’ny ronono. Nidina Alarobia 14 Febroary 2024 no nidina nanao fitsirihana teny amin’ny Orinasa ny DRIC.
👉SOFIA: Tombanana eo amin’ny 1000kg ireo entana lany daty voatery tsy maintsy nodorana tany tany Antsohihy ho fiarovana ny mpanjifa amin’ny aretina mety ho azo amin’ny fihinana azay ireny. Nahitana ronono mandry, paty, bisky, chips, fikojakojana tarehy ireo entana ireo. Teo imason’ny solontenam-panjakana sy manampahefana ary ny avy amin’ny Kaompanian’ny Zandarimaria any an-toerana no nanapotehan’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Sofia ireo entana lany daty ireo ny Alakamisy 15 Febroary 2024.

Source DRIC

Vous aimerez aussi...