Fampiofanana ny orinasa madinika sy salantsalany: hamafisina ny fahaiza-manaon’ ireo teknisianina misahana ny fanomezana fiofanana ho an’ireo PME/PMI eto amin’ny MICC.

Nanomboka androany Alatsinainy 24 Jolay 2023 ka haharitra dimy andro etsy Alarobia ny fanamafisana traikefa sy fahaiza-manao mikasika ny fampiofanana ireo mpandraharaha na kaoperativa na olontsotra momba ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy. Miara-miasa akaiky amin’ny Tetikasa Fanomezan-danja ny fahasamihafàn’ny ny Toekarena Malagasy (« Diversification de l’Economie Malagasy ») na DEM sahanin’ny PNUD ny MICC amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) amin’ny fanatanterahana izao fanamafisana fahaiza-manao izao. Eo ihany koa ny Minisitera misahana ny Fampianarana teknika.

Tanjona iray apetraky ny rafi-panjakana ary imasoan’ny MICC ny fanohanana ara-teknika ireo mpandraharaha isan-tsokajiny ho fanatsarana ny seha-piharian’izy ireo.

Vous aimerez aussi...