Fiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa:Fromazy sy sakafo hafa ary fanampin-tsakafo no nodorana tamin’iny herinandro lasa iny.

Toerana telo samihafa no nanatanterahan’ny ekipan’ny DPC ny asany ho fitsinjovana ny mpanjifa. Nodorana tao amin’ny orinasa iray ireo fromazy avy nakàna singa. Nazava ny valin’ny fitiliana nataon’ny ACSQDA fa tsy ara-pahasalamana ireo fromazy ireo. Teny Tanombato kosa no nampanjariana ho lavenona ny sakafo raha tao amin’ny foibe iray ao amin’ny Hopitaly Befeletanana no nolevonina ny fanampin-tsakafo (complement alimentaire). Simba sy lany daty avokoa ireo.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...