Akon’ny fananganan-tsaina

​Tontosa androany ​03 Mey 2022 tetsy Ambohidahy ny fananganan-tsaina teto anivon’ny MICC isaky ny fiandohan’ny volana toy izao.
“​Ho avy afaka iray volana sy tapany eo ho eo ireo milina hanodinana ny voanjo, ny ovy ,ny voatabia ary maherin’ny zato ireo ozinina kely hapetraka manerana ny faritra eto Madagasikara mba hiatrehana izao vidim-piainana izao,”hoy ny Minisitra. Nanakasitraka ny ekipan’ny ZPI izay niasa tamin’ny fametrahana ny fanodinana voanjo ho lasa menaka tany Ankadinondry Sakay ny faran’ny herinandro teo moa izy.
​Fotoana ihany koa nanaovan’ny Tale misahana ny Fiarovana ny mpanjifa tatitra fohifohy mikasika ny fanajana ny famerana ny vidin’ny entana ambony indrindra.
Namaranan’ny Minisitra ny fitenenana ny antso amin’ny mpiara-miasa hisian’ny tontolo sy fifandraisana mahafinaritra aty amin’ny toeram-piasana.

Vous aimerez aussi...