VARY FETY: 600 ariary ny vidin’ny vary iray kapoaka, marin-toerana ny tsena.

Efa azon’ny mpanjifa jifaina eny anivon’ny mpaninjara avy hatrany ny vary nafarana vokatry ny fifanarahanan’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana sy ny orinasa SPM. Amin’izao ankatoky ny fety izao, marihana fa jifaina malalaka amin’ny vidiny ara-drariny 600Ariary ny kapoakan’izany vary izany.

Ny Minisitera dia mitsinjo hatrany ny tombontsoan’ny mponina ary tsy mitsahatra ny mifanerasera amin’ireo mpandraharaha ara-barotra hanatsarana hatrany ny vidim-piainana.

Vous aimerez aussi...