Sehatry ny fanorenana : Mendrika ny hahazo entana tsara kalitao amin’ny vidiny ara-drariny ny Malagasy

Zava-dehibe ho an’ny firenena Malagasy ny fanarenana haingana ny toekareny taorian’ny niatrehana ny Covid-19. Ny fanomezana asa, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny Malagasy, ary ny fampiroboroboana ny Vita Malagasy, hoy ny minisitra Edgard Razafindravahy, ireo lafiny telo anjara birikin’ny mpitantana ny tranombarotra ABC by bricorama, ho an’ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny daholobe. Nasongadin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria , ny Varotra sy ny fanjifana izany, nandritra ny fanokafana sy fitokanana ny tranombarotra, mpivarotra kojakoja fanaingoana trano sy fitaovana fanaon-trano, tetsy amin’ny La City ny alatsinainy 25 oktobra 2021.

Orinasa lehibe roa samy manana ny maha izy azy amin’ny fikojakojana sy fanamboarana ary fanaingoana trano ireto nikambana ireto, dia ny ABC, orinasa Malagasy, sy ny BRICORAMA, orinasa frantsay. Nampatsiahy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana fa fisintonana ireo mpampiasa vola vahiny no tanjona nandrisika ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny diany tany Parisy tamin’ny volana aogositra teo, ary nihaonany tamin’ny mpikamban’ny MEDEF. Vokatra mivaingana tamin’ny diany izao fiaraha-miasa izao, satria hita fa mavitrika ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Tonga ny mpandraharaha avy any ivelany.

Nanamafy ny minisitra fa mila fampiasam-bola avy any ivelany i Madagasikara hanatsarana ny toekareny, ka ahitana fampandrosoana:

1. Isan’ireo Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblika hanatsarana ny fiainanan’ny mponina ny famoronana asa. Raha maro ny tranombarotra hisokatra dia maro ny Malagasy hanana asa.

2.Hisy fiantraikany izao fiaraha-miasan’ny orinasa lehibe roa izao amin’ny fampidinana ny vidin’ireo fitaovana sy kojakoja ilain’ny mponina. Tokony hitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy amin’ny vidin’ny simenitra, ohatra, izao fiarahana amin’ny ABC-Bricorama izao, ka hisy ny fitsinjovana bebe kokoa ny tombontsoan’ny mpanjifa amin’ny fametrahana ny vidin’entana ara-drariny

3. Zava-dehibe hoy ny minisitra, ny fanohanana ny vokatra anatiny, ary hampandroso ny firenentsika izany. Ilaina ny fampiroboroboana ny vokatra “Malagasy ny Antsika”.

Tsy hisy ny fampandrosoana maharitra raha tsy miaina ny indostria eto an-toerana. Manantena, hoy ihany ny minisitra, ny hahita tsy ho ela ny vokatra “Malagasy ny Antsika” hisongadina amin’ireo tranombarotra rehetra an’ny ABC by Bricorama.

Vous aimerez aussi...