Atrik’asa ifotony ataon’ny Ministra Edgard Razafindravahy any amin’ny faritra Anosy

Hanafainganana ny fampiroboroboana ny indostria eny anivon’ny faritra hitondra tombontsoa mivantana ho an’ny mponina eny ifotony, dia nigadona tao Tôlagnaro, faritra Anosy androany maraina 21 oktobra 2021 ny minisitra Edgard Razafindravahy sy ny mpiara-miasa aminy.

Miandrandra fisitrahana tombontsoa mivantana amin’ny fisian’ny orinasa goavana eny anivon’ny faritra misy azy ny mponina.
Asa fandraharahana mipaka eny ifotony no andrasan’ny mponina amin’ny orinasa goavana tahaka ny QMM araka ny nambaran’ny minisitra nandritra ny fihaonana niarahany tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa QMM taty Antananarivo tamin’ny volana septambra.

Hisy ny fitsidihana ny toerana hametrahana vala ara-indostrialy sy ireo orinasa madinika manakaiky ny mponina ifotony.
Torak’izany mandritra izao atrik’asa ifotony any amin’ny faritra Anosy izao no hijerena ireo toerana hametrahana ny TANINKETSA INDOSTRIALY.

Vous aimerez aussi...