Taninketsa Indostrialy

Tonga any Fenoarivo Atsinanana ny milina fanamainana voankazo voalohany amin’ny Tetikasa ODOF (One District One Factory)
Distrika faha-23 misitraka ny Taninketsa Indostrialy i Fenoarivo Atsinanana. Milina fanamainana voankazo ahafahana mitahiry azy tsy ho simba no natolotry ny Minisitra Edgard Razafindravahy ho an’ny tantsaha mpamboly voankazo any an-toerana tamin’ity Alatsinainy 10 Jolay 2023 ity. « Ahafahana manamaina ny voankazo io milina io, ahafahana mitahiry azy fa ho amidy amin’ny fotoana mahamety. Vokatra efa maina no aondrana sy amidy », hoy ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny indostria tamin’ny vahoaka vory tao amin’ny Tranompokonolona, nahitana ny mpamokatra mivondrona anaty kaoperativa sy ny Ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina ao anatin’ny distrika.
3000 taonina isan-taona ny vokatra voankazo any Fenoarivo Atsinanana, ankoatran’ny letisia.
Mahavita manamaina akondro 1 taonina ao anatin’ny 1 andro sy tapany ny Taninketsa Indostrialy any an-toerana. Voankazo 200 ka hatramin’ny 300 kilao isaky ny mampiditra no zakan’ny milina. Maharitra adin’ny 16 ny fanamainana ho an’ny letisia, 12 ora ny akondro ary adin’ny efatra ny ampalibe.
« Betsaka be ny letisia tsy lafo amidy. Hivadika vola izany ireny letisia ireny amin’izay fahatongavan’ity fitaovana ity izao. Toy izany koa ireo voankazo simba sy lo fotsiny any an-tsaha any », hoy i F. Modeste, Filohan’ny kaoperativa Taratra any Analanjirofo.
Nisaorany sy nankasitrahany ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-7 dia ny Fampiroboroboana ny indostria eny ifotony.

Vous aimerez aussi...