Famindram-pahefana tao anaty firahalahiana tanteraka

Rivo-baovao sy fanavaozana ny fandrindrana ny asa ho tombontsoan’ny mponina
Tontosa androany ireo famindram-pahefana eo amin’ny departemanta misahana ny varotra sy ny fanjifana ary PRMP sy ny DAF.
Tale Jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana: RANDRIAMANANJARA Andrianiaina
Talen’ny Varotra Ivelany: RAZAFIMANDIMBY Rinarisoa Irène Sadiah
Talen’ny Fiarovana ny Mpanjifa: ANDRIAMADISON Haingotiana Michela Angèle
Talen’ny Varotra Anatiny: RANDRIAMIARAMAHEFA Andriniaina
Tompon’andraikitry ny fifampiraharaham-barotra amin’ny Fanjakana : ANDRIAMASY Estelle
Tale misahana ny fitantanam-bola: ANDRIAMAHATANA Rado
Miandraikitra ny fiainan’ny mponina sy fanamorana ny vidim-piainany. Ireo no andraikitra goavana sahanin’ny departemantan’ny Varotra. Miandrandra vokatra avy amin’ny tompon’andraikitra tsirairay avy ny mponina hijery izay mahasoa azy ireo.
Manana ny traikefany avy ireo olom-boantendry handrindra ireo asa aman-draharaham-panjakana napetraky ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana Edgard Razafindravahy.
Hitondra fiovana eo amin’ny fandaminana tanteraka ny fidinana ara-barotra eny ifotony no isan’ny asa voalohany ho atao.
Lalan-tsaina mampiakatra ny eny ifotony no hitondrana indray ny sori-dalana stratejika ara-barotra ary ny hamafisina hatrany fa ny Mpanjifa no laharam-pahamehana.
Nanamafy ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa mila mametraka haingana ao anaty fotoana voafehy ny drafitry ny asa hatao anatin’ny fohy ezaka ny Tale tsirairay ka hipaka avy hatrany any amin’ny mponina izany.

Vous aimerez aussi...