Fampiroboroboana ny fandraharahana : Beazina ho mpandraharaha ny vehivavy marefo sy olona manana fahasembanana any Androy
Nanofana ireo vehivavy marefo sy olona miaina miaraka amin’ny fahasembanana any amin’ny distrikan’i Tsihombe sy Beloha Androy ny ekipan’ny DPE (Fitondran-draharaha misahana ny fampiroboroboana ny fandraharahana) eto amin’ny MICC nanomboka ny Alatsinainy 05 Septambra 2022. Hatramin’ny faha-9 Septambra 2022 ireo mpandray anjara miisa 91 (Beloha 44 ; Tsihombe 47) ireo no hisitraka fampiofanana miompana indrindra amin’ny fomba fisainana mpandraharaha, ny fananganana tetik’asa ary ny fomba fitantanam-bola. Nohamafisina ny traikefan’ireo mpandray anjara ahafahany mampivelatra ny asa mampidi-bola ho azy, mamorona asa ho azy na mifanampy amin’ny asa fivelomana.
Monina any amin’ny toerana ambanivohitra saro-dalana moa ireo nisitraka fanofanana ka natao hifandraika amin’ny zava-misy iainany andavanandro ny fifampizarana. Miara-miasa amin’izao hetsika izao ny CRS Madagascar Tetikasa Maharo.
Sary DPE