Vaovao songadina avy amin’ny faritra Diana, Menabe, Sofia

👉DIANA : Nidina nijery ireo tahirin-tsiramamy tao amin’ny orinasa SUCOMA Ambilobe ny ekipan’ny DRICC. Ampy ny famatsiana ireo mpanjifa ary efa miparitaka manerana ny faritra ny siramamy vokarin’ny orinasa.

👉MENABE : Kaoperativa miisa 7 (misehatra amin’ny fiompiana tantely, fanangonana sy fivarotana voamaina) hafa indray ao amin’ny Kaominina Tsimafana sy Antsiraraka samy ao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina no nisitraka fampiofanana. Izany dia tafiditra amin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRICC sy ny tetikasa AD2M (Fanohanana ho fampandrosoana ny faritra Menabe sy Melaky)

👉SOFIA : Nitsidika orinasa mpamokatra siramamy gasy tao Antsatramalaza ny DRICC. Nisy ny fanentanana sy fampiofanana ary fananganana kaoperativa tany an-toerana, narahina fifidianana ireo mpikambana ao anatin’ny filan-kevi-pitantanan’ilay kaoperativa. Marihana fa tafiditra ao anatin’ny fifanarahana miaraka amin’ny fandaharanasa FORMAPROD ity hetsika nataon’ny DRICC ho fampandrosoana ny fandraharahana ity.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...