Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsimo Atsinanana

👉

ALAOTRA MANGORO: Nanomboka omaly 06 avrily 2022 ny sivana eo amin’ireo tetikasa liana amin’ny fandaharanasa TANINKETSA INDOSTRIALY voaray teo anivon’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) any an-toerana. Marihana fa mandrafitra ny Komity teknika miandraikitra ny fisivanana ireo tetikasa miaraka amin’ny DRICC ny manam-pahefana any amin’ny faritra Alaotra Mangoro toy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka, ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra, Tale Mpanatanteraky ny Antenimieran’ny Varotra.

👉

ATSIMO ATSINANANA: Notanterahina ny 05 avrily 2022 ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ireo toeram-pivarotan’ny kaoperativa maromaro ahitana ireo vokatra eny ifotony ao amin’ny tanànan’Analameloka, tokony ho 30km lalana mankany Vangaindrano. Zava-dehibe tokoa ny fisian’ny foto-drafitrasa ahafahan’izy ireo mivarotra avy hatrany ny vokatra ho fampandrosoana ny toe-karen’ny faritra sy ny mponina.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...