Fifampizarana fahaiza-manao: Hitohy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny MICC sy Emil Kirjas.
Nifarana androany ny atrikasa fifanakalozana traikefa niarahan’ny MICC tamin’i Emil Kirjas, manampahaizana iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny varotra sy ny indostria.
Ny fihaonan’i Emil Kirjas tamin’ny ekipan’ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC) androany 04 Marsa 2022 no nanakatona tanteraka izany. Niompana indrindra tamin’ny fanatsarana ny paikady efa mipetraka manodidina ny fandrindrana ny sehatry ny varotra sy ny fiarovana ny mpanjifa ny fifanakalozana.
“Feno fahavitrihana ny ekipan’ny MICC izay nifanakalo traikefa teto. Tsy hijanona hatreo amin’ireo atrikasa natao ireo ny fiaraha-miasa amin’ny MICC. Handinika ireo teboka goavana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena niarahana nandritra ny roa andro ny tenako ary handroso ny soso-kevitra avy aty amiko amin’ny fotoana manaraka.” hoy Emil Kirjas.