Nizara tamin’ny Ambasadaoro frantsay ny laharam-pahamehan’ny ministera tantanany i Edgard Razafindravahy.

Misy ny orinasa frantsay liana ampiasa vola eto Madagasikara, saingy manana ahiahy amin’ny angovo, amin’ny haba sy ny hetra, amin’ny fikarakarana atonta-taratasy…
« Afaka misafidy ny hiditra amin’ny Taniketsa indostrialy, amin’ny vala indostrialy na amin’ny faritra indostrialy ny mpampiasa vola. Tsara koa ny manakaiky ny faritra indostrialy efa misy herinaratra vokarin’ny sehatra tsy miankina », hoy ny minisitra Edgard Razafindravahy androany tamin’ny Ambasadaoro Christophe Bouchard, raha naka ohatra ny Ambatovy izay manana 120 Megawatts. Isan’ireo laharam-pahamehana ny famokarana simenitra any Toliary, siramamy any Mahajanga, akanjo sy lamba any Moramanga.
Navoitran’ny minisitra Edgard Razafindravahy fa tanjon’ny ministera ny hanisy orinasa madinika aman-jatony manerana ny Nosy, afaka manodina ny vokatra misy any an-toerana, ka hitondra tombony avy hatrany ho an’ny mponina eny ifotony. Mora simba ny vokatra mantsy, ka tena ilain’ny tantsaha mpamokatra ny fananodinana sy ny fitahirizana izany ahafahana mivarotra amin’ny fotoana maharitra. Orinasa madinika iray miodina mira fandresena iray ho an’ny Firenena.

Vous aimerez aussi...