Akon’ny fananganan-tsaina androany 07 marsa 2022
“Tafiditra anatin’ny Volana natokana ho an’ny fizarana soa sy fanampiana ireo mpiara-belona isika amin’ny ity volana marsa ity ary ao anatin’ny Karemy” hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany nandritra ny fananganan-tsaina fanaon’ny MICC isaky ny alatsinainy voalohan’ny volana.
Nanentana ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Minisitera ny tenany ny amin’ny fifanampiana azo atao rehetra.
Nisaotra ihany koa ny tenany ny fiaraha-mientana rehetra natao manoloana ny vidim-piainana hitsinjovana ny mponina.
Fotoana iray nahafahan’ny Tale misahana ny Serasera eto amin’ny MICC nitondra fanampim-panazavana mikasika ireo tetikasa sahanin’ny Minisitera sy ny lalana hizorana amin’ny fanatanterahana azy ireo toy ny TANINKETSA INDOSTRIALY izany.