Fitovinany: Nampahafantarina an’ireo vehivavy ny zon’ny mpanjifa sy toe-tsaina mpandraharaha
Nanomboka tamin’ny Sabotsy 05 Marsa 2022 lasa teo ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy (08 Marsa) ho an’ny any Fitovinany. Hetsika nokarakarain’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) ka nahitàna ny fandraisan’anjaran’ny BIT, ny Fitaleavam-paritry ny Asa sy ny Fampananan’asa, ny ANMCC, ny IMPACT sy ny Accès Banque ary ny Baobab Banque. Nanao tan-tsoroka ka nahatontosana izany ny Foibem-draharaha DPE sy DPC eo anivon’ny MICC.
Sary DRICC Fitovinany