Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Ihorombe, Vakinankaratra.

Midina ny vidin’ny PPN nohon’ny habetsahan’ny tolotra
👉ATSIMO ANDREFANA: Nahitana fidinany 2 000Ar isaky ny gony 50 kilao ny vidin’ny vary. Nidina 30 000Ar koa ny vidin’ny lafarinina amin’ny gony 50 kilao. Latsaka 15 000Ar ny ividianana ny siramamy amin’ny gony 50 kilao raha mitaha amin’ny teo aloha. Noho ny habetsahan’ny tolotra sy ny famatsiana Vary Tsinjo sy Lafarinina Tsinjo ataon’ny SPM no anisan’ny antony mahatonga izany. Misy sahady ny fijerena ny fomba hitazonana ny vidin’entana ara-drariny toy ny fanarahana akaiky ny vidin’entana iraisam-pirenena sy ny faktiora nividianana ny entana avy amin’ny mpanafatra mba tsy hisian’ny fiovana tampoka rehefa mihena ny tolotra.
👉IHOROMBE: Nisy fidinany 3000 Ar ka hatramin’ny 4000 Ar isaky ny bidao 20 litatra ny menaka fihianana ao Ihosy. Izany hoe nihena 200 Ar isaky ny litatra. Hita taratra izany nandritra ny fanaraha-maso natao herinandro ny Zoma 02 Septambra 2022. Tsy mbola nisy fiovany kosa ny vidin’ireo entana hafa raha mitaha tamin’ny teo aloha.
👉VAKINANKARATRA: Midina ny vidin’ny lafarinina sy ny siramamy. Tamin’ny Talata 06 Septambra 2022 teo dia 163 000Ar ka hatramin’ny 165 000Ar ny vidin’ny siramamy Ambilobe iray gony 50 kilao. 190 000Ar ka hatramin’ny 195 000Ar kosa ny siramamy Namakia.Tsapa fa efa mihabetsaka ireo siramamy eto an-toerana ka izany no mahatonga izay fihenan’ny vidiny izay.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...