VAKINANKARATRA: Faritra stratejika azo hametrahana indostria misahana ny vary

Anisan’ny zava-dehibe nambaran’ny ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra, Edgard Razafindravahy, io nandritra ny fihaonany tamin’ ny delegasiona avy amin’ny Fivondronan’ny Orinasa Vakinankaratra ( FIOVA )androany tetsy amin’ny birao fiasany Ambohidahy.
Maromaro ny distrika eto Madagasikara azo ametrahana indostria misahana manokana ny vary, anisan’izany ny any Vakinankaratra. Entanina ny mpandraharaha hampiasa vola eny ifotony mba hiroso haingana kokoa ny fampandrosoana hoy ny minisitra.
Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny ministera ny mpandraharaha ary nanasa manokana ny minisitra Edgard Razafindravahy hanatrika ny “Vitrine de Vakinankaratra” ho tanterahana ny 30 septambra hatramin’ny 02 oktobra 2021.
Nanamafy ny fandraisany anjara ny ministra, vonona tokoa ny hifanakalo hevitra sy hanampy ny mpandraharaha Malagasy izy araka ny nambarany. Nanentana hampiasana sy hanatsarana hatrany ny fifandraisana eo anivon’ny Antenimieran’ny Varotra rehetra manerana ny Nosy ny tenany.

Vous aimerez aussi...