Fampandrosoana IFOTONY ny faritra ANOSY miaraka amin’ny orinasa QMM

Ilaina ankehitriny ny mamaritra sy manamafy ny tombontsoa andrandrain’ny mponina any ifotony hoy ny ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, nandritra ny fihaonany tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa QMM androany 14 septambra 2021.
Tonga ny fotoana hoy ny minisitra hampanjariana ny fitrandrahana ataon’ireo orinasa lehibe eto amin’ny firenena, ho amin’ny tena tombontsoan’ny mponina ifotony.
Ho tanterahan’ny QMM ny fametrahana fotodrafitrasa vaovao any an-toerana hanampiana ny mponina. Hisy ny vala ara-indostrialy mirefy 15 ha hatokana ho an’ny mpampiasa vola.
Voafaritra ireo seham-pihariana hanomezana tombontsoa ny mponina hanomboka amin’ny fanodinana voankazo, ny tantely ary ny lavanila. Ho hita eo an-toerana avokoa ny fanodinana ny vokatra, ny fitehirizana ary ny fivarotana ny vokatra avy amin’ireo tantsaha mpamboly sy orinasa madinika any ifotony any.
Hitsidika tsy ho ela ny orinasa ny ministra Edgard Razafindravahy hiara-hijery ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa.

Vous aimerez aussi...