Fiarovana ny mpanjifa : ady amin’ny kolikoly, asa tsara sy mahomby ary madio

Hohamafisina ireo fidinana ara-barotra eny ifotony hahafahana manara-maso akaiky ny fanajàn’ny mpandraharaha rehetra ny vidiny ara-drariny napetraka.
Ireo no toromarika hentitra nomen’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana Edgard Razafindravahy nandritra ny fihaonany tamin’ireo kaomisera ara-barotra tetsy Ambohidahy androany.
Kaomisera ara-barotra miisa 26 mianadahy andiany fahasivy misalotra ny anarana « MADIO » vao nivoaka teny amin’ny sekoly ambony ENAM ireto nifampidinika niaraka tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ireto. Tafiditra ao anatin’ny andraikitra fototry ny minisitera ny fiarovana sy fitsinjovana mandrakariva ny mpanjifa, hoy ny Minisitra. Notsindriany manokana ny maha zava-dehibe ny fanatanterahina ny asa ao anatin’ny mangarahara tanteraka ho tombontsoan’ny mponina malagasy.

Vous aimerez aussi...