Vaovao’ny faritra Atsimo Atsinanana:Vehivavy sy lehilahy 28 te-ho matihanina amin’ny fandraharahana nomena fanofanana

Atosika ho lasa mpandraharaha matihanina ny vehivavy. Ho vatsiana vola tsy averina mitentina 5.000.000 Ariary tsirairay avy ireo mpiofana ho fampandehanana ny tetikasa. Homena tsikelikely io vola io ka ny kaonty MVolan’ireo vehivavy nofanina ho mpandraharaha matihanina (Mentorée) no hirotsahan’ny vola. Ny lehilahy nofanina ho mpandraharaha matianina (Mentor) kosa indray dia tsy mitantana vola fa miara-miasa izy roa.
Naharitra telo andro nifarana ny 01 Septambra 2022 moa ny fanofanana izay nampanaovin’ny Tetikasa Giz Prada sy ny Tetikasa NextA. Niara-niasa taminy ny DRICC Atsimo Atsinanana sy ny DRAE Atsimo Atsinanana. Nizara ireo tsara ho fantatra momba ny tontolon’ny fandraharahana toy ny fitantanana sy fomba na paikady entina hampiasana ny vola araka ny tokony ho izy ny mpampiofana. Mandritra ny herintaona ihany no faharetan’ny tetikasa hataon’izy ireo izay hanomezan’ny minisitera (MICC sy MINAE) taratasy fanamarinana ho azy tsirairay avy.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...