Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉ANALANJIROFO: Vinavinaina ho tanterahina ny 09 Desambra 2022 ny fifidianana. Namory ireo mpandraharaha tao Fenoarivo Atsinanana ny komity manokana mpikarakara ny fifidianana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Hidina any Mananara Avaratra sy Maroantsetra indray izy ireo amin’ny faran’ity herinandro ity hanohy ny fanentanana. Anatin’ny fiofanana omen’ny ekipa avy amin’ny DPP moa ny komity manokana amin’izao fotoana izao.
👉MENABE: 22 no ho isan’ny mpikambana handrafitra indray ny CCI Morondava ho amin’ny efatra taona manaraka. Nivoaka tamin’ny Zoma teo ny lisitry ny mpifidy vonjimaika ka 152 ireo mpifidy voasoratra anarana amin’izany. Nanomboka ny 03 Septambra 2022 ka hifarana ny 02 Oktobra 2022 ihany koa ny fandraisana ny antontan- taratasin’ireo hilatsaka ho fidiana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...