KANTON’I GASIKARA : ASATANANA VITA MALAGASY MIARINA

Nanomboka anio 22 jona 2021 ny hetsika Kanton’i Gasikara andiany faha-dimy ahitana trano eva manodidina ny 25 isa eo etsy amin’ny zaridaina Antaninarenina ka hifarana ny 25 jona 2021 ho avy izao izay karakarain’ny Chez’Elles Madagascar eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana. Amin’izao ankatoky ny fetin’ny asaramanitra izao dia entina indrindra ity hetsika ity hanandratana ny vokatra asatanana malagasy sy hanohanana ireo mpanao asatanana Malagasy.
« Isan’ny laharam-pahamehana eto anivon’ny MICA ny fanovana fomba fijery eo amin’ny sehatry ny asatanana, mba ho tena asa mendrika sy mahavelona tokoa ny asan’ireo mpanao asatanana izay mifandray indrindra amin’ny Velirano 6 (asa mendrika ho an’ny rehetra) fa tsy mijanona ho asa an-tselika fotsiny ihany. Izao hetsika izao ihany koa dia entina hanohanana ireo mpanao asatanana hiarina araka ny lohahevitra “Miarina” ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Ary manentana ny vahoaka hanjifa ny vokatra vita malagasy hanandratana ny ambompo-pirenena amin’izao ankatoky ny fetin’ny asaramanitra izao » hoy Atoa RAMANANKAVANA Christian, Tale Jeneraly misahana ny Asatanana eto anivon’ny MICA.
Araka ny nambaran’ny mpikarakara dia hihitatra hatrany amin’ny faritra ny hetsika Kanton’ny Gasikara andiany faha-enina entina hampiroboroboana ny asatanana eraky ny Nosy.

Vous aimerez aussi...