Zon’ny fahalalahan’ny vaovao.

Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny zon’ny fahalalahan’ny vaovao
Nanomboka ny taona 2016, dia mankalaza ny Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny zon’ny fahalalahan’ny vaovao isika eto Madagasikara isaky ny 28 Septambra. Tamin’ity taona ity ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia nampivondrona ireo minisitera rehetra etsy amin’ny tokontanin’ny Tranom-bokim-pirenena Anosy ho fankalazana izany andro izany ny 26 hatramin’ny 28 Septambra. Natao ity hetsika ity hanehoana fa ny fanjakana malagasy dia misokatra ary miasa ao anatin’ny mangarahara ho an’ny vahoaka, izay tafiditra ao anatin’ny fanoloran-tenan’ny Filohan’ny Repoblika Atoa Andry Rajoelina. Isan’ny mpandray anjara mandritra ny fankalazana ny MICA izay hampahafantatra manokana ny mikasika ny andraikitra raisin’ny minisitera toy ny sehatry ny indostria, ny fiarovana ny mpanjifa ary koa ny fanazavana ny maha ara-dalàna ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Ao anatin’izany fampahafantarana izany ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo anivon’ny tanora sy ny vehivavy ; ny dingana, ny lahatsoratra sy ny lalàna mifehy ny asan’ny MICA ary koa ny fanohanany ara-teknika ny sehatra tsy miankina.

Vous aimerez aussi...