Fitsidihana orinasa.
Fitsidihana ny orinasa : Savonnerie tropicale, Compagnie Vidzar sy ny Société Salone.
Ny fitsidihana ireo orinasa indostrialy ataon’ny delegasionan’ ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana izay tarihin-dRamatoa Minisitra Lantosoa RAKOTOMALALA, dia mitohy hatrany ho fihainoana ny filan’ny mpamokatra sy handrosoana vahaolana hanatsarana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Nisy araka izany ny fitsidihana orinasa indostrialy miisa telo nataon’ny tompon’andraikitra avy ato amin’ny MICA ny 13 septambra 2019 teo dia : ny Savonnerie tropicale, ny Compagnie Vidzar ary ny Société Salone. Nohamafisin-dRamatoa Minisitra tamin’ny fitsidihana natao ny fampiharana ireo fepetra noraisin’ny governemanta mba hametrahana sy hamerenana hatrany ny indostria malagasy eo amin’ny lalan’ny fifaninanana.
Ankoatr’izay, eo an-dalam-pamolavolana amin’izao ny fifanarahana ara-indostrialy, mba hanatsarana ny toe-draharaha misy isaky ny indostria ary ametrahana hatrany ireo fepetra ilaina araka ny sehatr’asa tsirairay avy.
« Mamokatra eto an-toerana mba hanjifàna ny vokatra eto an-toerana », io fomba fijerin’ny governemanta io dia tafiditra ao anatin’ny anjara andraikitry ny MICA ho fampiroboroboana ny fitomboan’ny sanda hary.