Vaovao Songadina avy amin’ny Faritra Itasy

Tafatsangana teo anivon’ny Distrika telo ao amin’ny Faritra Itasy ny Koperativa miisa 109 nandritra ny taona 2021.
Nahazo fiofanana sy mitsangana ara-dalàna ary manana ny taratasy fanamarinam-piraketana avokoa ireo koperativa ireo. Miara-miasa amin’ireo vondrona maro mitovy vina amin’ny Minisitera ihany koa ny DRICC Itasy toy ny Avotr’i Mandridrano ho an’ny Fampandrosoana Iombonana (AMAFI) ao amin’ny Distrika Soavinandriana. Niarahan’ny roa tonta ny fampiofanana koperativa miisa 26 misehatra eo amin’ny fambolena sy fiompiana izay manana taratasy fanamarinam-piraketana avokoa.
Isan’ny andraikitra imasoan’ny DRICC hatrany ny fivelaran’ny fandraharahana eny amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny koperativa.

Vous aimerez aussi...