Ady amin’ny Covid-19: Vaksiny 200 ho an’ny mpiasan’ny MICC

Nanatanteraka ny fanaovam-baksiny faobe ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, androany 26 oktobra 2021, ho fiarovana ny mpiasany sy ireo vady aman-janak’izy ireo.

200 isa ny vaksiny Janssen Covid-19 anjaran’ny MICC tamin’ity andiany voalohany ity. Maro ireo namaly ny antso, ka mbola hisy ny andiany hafa ho an’izay mety tsy nahazo. Marihana fa tsy mila famerenana (na rappel) ity vaksiny ity.

Nisaotra ny Filoham-pirenena, ny Praiminisitra, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ary ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana ny Tale nitondra-tenin’ny minisitera, tamin’izao fanampiana ho fiarovana ny Malagasy izao.

Ny mpitsabon’ny MICC kosa dia nanentana ny olona vita vaksiny tsy hisalasala na andro na alina, hiantso azy an-tarobia raha misy tranga mampiahiahy azy ireo, satria amin’ny maha vaksiny azy dia mety hampanavy ilay tsindrona androany io.

Entanina hatrany ny rehetra amin’ny fitandremana, hahafahana mandresy ny aretina.

Vous aimerez aussi...