300 ireo orinasa tena madinika sy salantsalany (MPME) hisitraka ny fandaharanasa SME BLP

Niainga tamin’ny fomba ofisialy androany tetsy amin’ny Carlton Anosy ny fandaharanasa SME BLP (Business Linkage Program) avy amin’ny Banque Africaine de Développement (BAD) eto Madagasikara. Mifantoka manokana amin’ny fanohanana ireo MPME sy amin’ny fampifandraisana ireo orinasa madinika sy salantsalany amina orinasa lehibe sy vaventy ity fandaharanasa ity. Mikendry ihany koa ny fanamorana ny fifandraisan’izy ireo amin’ny lalam-barotra, fametrahana ny orinasa iray ho ara-dalàna, fanomezana traikefa ireo orinasa ary fidirana eo amin’ny lafin’ny famatsiam-bola.
Ao anatin’ny fanatanterahina ny Veliranon’ny Filoham-pirenena ihany koa satria voakasika ny fanomezana asa mendrika, ny fampiroboroboana ny indostria ary ny firosoana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Mifanitsy tanteraka amin’ny lalan-tsaina hitondran’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana ny fampandrosoana ifotony ihany koa ity fandaharanasa SME BLP ity. Ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy isan-tanàna dia isan’ny mamaly ny tinadin’ny tsena. Zava-dehibe hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny mampifandray ny toe-java-misy ankehitriny amin’ireo fandaharanasa maro samihafa. Ny tombontsoan’ny tantsaha sy mpandraharaha ifotony erak’i Madagasikara no tanjona tratrarina.
Marihana fa vola mitentina 1.43 tapitrisa dolara amerikanina no ho entina mamatsy ity fandaharanasa SME BLP ity ho an’ireo mpandraharaha tantsaha misehatra amin’ny MPME eny ambanivohitra.

Vous aimerez aussi...