Famatsiana eto Antananarivo sy ny manodidina

Vary Tsinjo 30 taonina isan’andro no aterina eny amin’ny mpivarotra mpaninjara
Mitohy hatrany ny famatsiana Vary Tsinjo ny mponina. Fokontany manodidina ny 30 isan’andro sy mpivarotra antsinjarany any amin’ny 80 no mahazo izany avy amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar), araka ny fanazavana avy amin’ny Talen’ny Varotra Anatiny, Andry Randriamiaramahefa. Mandrindra sy manara-maso ny fitsinjarana ny Vary Tsinjo kosa ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC).
Tamin’ny Alakamisy 20 Jolay 2023 lasa teo dia tazana teny Ankorondrano sy ny manodidina ny kamiao mitondra ny Vary Tsinjo. « Tsy vary stock fa vary vokatra eto an-toerana no nentin’io fiara io
ary eny am-pandehanana vao mitady mpivarotra mpandray ny tompon’andraikitra ara-barotra », hoy ny avy amin’ny Foibem-pitondrana miasahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC).
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...