Lalaon’ny nosy: teo amin’ny fibatana fonjamby avokoa ny medaly volamena 12 tamin’ireo 22 azon’ny malagasy omaly

Rosina Randafiarison, Eric Herman Andriatsitohaina, Jean Elariont Ramiarimanana ary Zo Lalaina Sabrina Ny Hasina Andriamitantsoa. Mpibata fonjamby efatra mianadahy samy nandrombaka medaly volamena telo ??? avy nandritra ny andro voalohan’ny fifaninana omaly Sabotsy 26 Aogositra 2023.
Nisantatra ny fisalorana medaly volamena i Rosina Randafiarison. Sokajy Vehivavy -45kg no misy azy. Vitany ny nibata 75kg teo amin’ny arraché, 90 kg teo amin’ny épaulé jeté (Total olympique 165kg). Montsany ny zava-bita tsara indrindra teo amin’ny Lalaon’ny Nosy.
Ho an’ny Lehilahy -61kg dia nanome medaly volamena telo ho an’i Madagasikara koa i Eric Herman Andriatsitohaina izay sady tompon-dakan’i Afrika. Voabatany ny 107 kg teo amin’ny arraché, 145 kg épaulé jeté (Total olympique 252 kg).
I Jean Elariont Ramiarimanana indray dia 102kg arraché sy 135 kg épaulé jeté (Total olympique 237 kg).
Medaly volamena telo koa no azon’i Zo Lalaina Ny Hasina Andriamitantsoa -49kg Vehivavy. Nahabata 73kg arraché sy 89kg epaulé jeté izy (Total olympique 162 kg). ?
Sary Nomena

Vous aimerez aussi...