AGOA: mampitovy fijery hahafahana manafika ny tsena amerikana mitentina 853 tapitrisa dolara ny mpisehatra amin’ny kakao

Efa voarafitra ny paikadim-pirenena momba ny tsenam-barotra AGOA. Ho fanatanterahana izany, eo amin’ny seha-pihariana kakao, no anton’ny Atrikasa mandritra ny hateloana tanterahana any Ambanja nanomboka omaly 12 Septambra 2023. Fiaraha-miasa amin’ny CIR (Cadre Integré Renforcé).
Ampahafantarina mandritra izany ny fomba fanondranana entana mankany Amerika, ny ezaka efa natomboka hanamorana izany, ny fahafahana misitraka ny atontam-baovao rehetra ilaina amin’ny fanondranana ary ny fanampiana sy famatsiam-bola azon’ny mpiara-miombon’antoka omena.
Mihoatra ny 30 ireo mpandray anjara amin’ity Atrikasa ity izay ahitana ny avy amin’ny orinasa, ny kaoperativa, ny mpamboly kakao, ny mpanangom-bokatra sy ny mpikarakara ary ny mpanondrana kakao mankany ivelany.
« Natao hanampiana ny mpandraharaha malagasy ahafahana miroborobo, manome asa ny olona ary mitondra ny mari-pamantarana Kakao tsara indrindra maneran-tany any amin’ny tsena amerikana izao Atrikasa izao », hoy ny Tompon’andraikitra misahana ny AGOA eto amin’ny Minisitera (MICC), Rindra Lova Andriamahefa.

Vous aimerez aussi...